Hetaheta hatry ny ela, ho an’ny mpankafy azy, ny hanapariahana ny Gazety sy ny Onjam-peo Feon’Imerina eto amin’ny Tranonkala. To ankehitriny ny faniriana, noho ny finiavan’ny tsara sitrapo, ary anisan’izany ny tanora mpankafy Feon’Imerina any Amerika Avaratra izay nikarakara ny fampiantranoana. Ho azonao atao manomboka izao ny manovo vaovao sy hevitra isankarazany mahakasika ankolaka na mivantana ilay “akany niandohana sy toeran-kiafarana”, dia Imerina mamintsika.
Ho fanohizana ny ezaka nataon’ireo mpialoha lalana, dia tsara raha hampatsiahivina dieny am-panombohana ny tigetra sy fenitra tratrarin’ny mpikarakara ity tranonkala ity.
Taona arivo fahatelo isika izao. Manjaka ny fanatoloana. Lasa bambaray izao tontolo izao, ka ny vahoaka ao aminy dia zary lasa mpanjifa tsy fantatra anarana manaraka ambokony ny fironan’ny onja. Manoloana izany tranga izany, dia ny kolontsaina sy ny faka maha izy ny tena sisa no hany sisin-tany mampisongadina ny isam-pirenena, ka hiaro ny tsirairay tsy ho levona.
Ilaina araka izany ny fijoroana, amin’ny alalan’ny fanomezana hasina ny soatoavina mampiavaka ny faritra misy antsika. “Harena ny fahasamihafana”, hoy ny tarigetran’ny Feon’Imerina. Izany harena izany no entina hampandroso an’I Madagasikara amin’ny lafiny rehetra: kolontsaina, toekarena, politika ary fiarahamonina.
Tsy sakana ho an’ny fampandrosoana velively akory ny fahafantarana sy fankamamiana ny faka nipoirana. Satria ny fahafantaranao ny maha ianao anao no fanohitra afahanao mahalala sy mahazo ny hetahetan’ny mpiara-belona aminao, na inona na inona fiaviany sy finoany.
Entanina eo anivon’ny Firenena Mikambana ankehitrio ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo vondrona manana kolontsaina marolafy. Anjara biriky entintsika anantanterahana izany fenitra izany ny fanohizana ny fifanankalozana eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy misy antsika.
Koa manainga ny rehetra hifanome tanana satria “tsy adidiko izaho samirery, fa adidiko izaho sy ianao”!