Ireo lahatsoratra

Ny zanako......

Ny zanako mantsy ka zanakoIzy no hany fananakoIzy no tompon'ny aikoMpandimby sy tena mpibaiko.Nitelomaka rano tsy tianaNiaretako ireo fahorianaNiankinako rindrina irery Ka tsy nilako mpijery. Ny zavatra vitan'ny tanako Dia nataoko mba ho an'ny zanako.Ka na inona loza mihatraNy zanako tsy mba mahantra .Fa aina avy amin'ny aina Ka tsy foiko hiferinaina. Mpamorona sady mihira no mitendry gitara : Ran ( . . . )

Benaivo - 2022-05-22 12:38:52 Tohiny

Mba rano anie aho...

 Mba rano anie aho ka ranoMadio maganohanoTohofana hajainaMamelombelon’ainaTsy lomotra hamotrakaIreo mpivahiny trotrakaMba rano anie aho ka ranoMadio maganohanoHanolotra fitiaùIreo sasatry ny diaMba rano anie aho ka ranoMadio maganohanoHandray ny soa entiko*Ny Firenena keliko Namorona: Ranaivo RanariveloNihira: Fidimalala sy Barijaona ( . . . )

Benaivo - 2022-05-22 11:14:10 Tohiny

ny fitia vita voady...

Ny fitia vita voadyMandramaty ho doriaSanatria tsy ankoso-bolamenaKa mamiratra jerena.              Bararata noladinim-bahy             Ka mifaningotra hatrany             Samia tia ka hiaraka eto an-tany             Na ho tsiky na tomany. Ny fitia vita voadyVolamena vita sedraDina vita sikotra ao anatyTsy mba taitran-drendrarendraVointenan’izay tsy tiaTe handrava hankahalaFa fitia, fitia ( . . . )

Benaivo - 2022-05-22 11:08:14 Tohiny

Ny fivavahana...

Manana ny toerany aeo amin’ny fiarahamonina Malagasy koa ny fivavahana. Mbola tsy tonga teto ny fivavahana kristiana dia efa nahalala nangata-pitahiana tamin’ny razana sy Andriamanitra ny Malagasy. Ny Andriamanitra dia ilay mpahary an’izao tontolo izao, avo indrindra, ny razana kosa no heverin’ny Malagasy ho mpanelanelana ny velona amin’Andriamanitra, ireo ray aman-dreny zokiolona ihany koa d ( . . . )

Benaivo - 2022-05-08 03:49:18 Tohiny

Ny fihavanana...

Voalaza fa ny fihavanana no fototry ny fahendrena sy ny fiarahamonina malagasy. Ireo ohabolana sy fitenenana maro dia samy maneho izany avokoa. Na ankasoavana na ankaratsiana dia tsy maintsy misy foana ny fifanotronana, ho fitsinjovana ny fihavanana no hanaovana izany. Ireo fomba amam-panao samihafa toy ny didimpoitra, ny famadihana, ny fanambadiana, ny fisaoram-bady ary hatramin’ny fandevena ( . . . )

Benaivo - 2022-05-08 03:46:54 Tohiny
Hira
Voambolana malaza
1 2 ... 32
footer-frame